Friday 08 July 2022

mahita ahy ary ve izao ireo matiko?

Eritreritra nandalo dia niraikitra. Rehefa injay aho niezaky ny nanary dia tamin’ny alahelo be loatra noho ny fahalasanan’i nenitoa tany Dago. Ny tena aty an-tany lavitra. Misaona irery.

Aleo aloha hiato kely ny alahelo sy izay rehetra manodidina azy. Efa be izay tora-po vita izay. Mila maka aina kely izao, handini-tena, etsetra etsetra. Tsy tsaroako intsony inona tsara moa ilay zavatra nataoko  tamizay. Fa nanomboka teo dia lasa foana ny eritreritro isaky ny manao zavatra hafa iray: mahita ahy ve izao i nenitoa? Hitany daholo ve izao izay ataoko? Dia ahoana tokoa moa izao raha toa ka hitany izao rehetra ataoko izao? Hitany ve izao zah mangala-pihinana io? Ary zah mipetraka eo ambony gabine io? Tena loza ihany raha hitany daholo izao rehetra izao an! Toy ny … fisokirana tain-delo an-tsokosoko ohatra. Na ny zavatra hafa ohatrohatr’izany sy tsy ohatrohatr’izany e. Haiko tsara ny tiako tenenina na dia iniako tsy tenenina aza. Aza hitako anie izany. Tena ohatran’ny ho degany be ihany raha hitany daholo ny velona rehetra fantany manao ny fanaony (sy ny tsy fanaony) kah.  

Ity nenitoako iray ity dia niavaka kely mihitsy tamin’ny finoany tanteraka ny fisian'ny matoatoa. Teny amin’ny hopitaly Girard et Robic hono no nahitany an’izany taona maro lasa izay. Izy aloha dia nitantara tamin’ny an-tsipiriany mihitsy saingy zah dia mbola manontany tena fatratra raha tena misy marina tokoa izany.  Mbola tsy nahita mantsy ny tenako ary tsy maniry hahita ihany koa! Nefa raha matoatoa tsara fanahy mety tsy maninona ihany an. Ohatran’ilay tamin’ny sarimihetsika ‘Ghost’ iny izao. P. Swayze- D. Moore. Raha zah ho aho no maty eo ka misy fika an. Tsy haiko aloha e. Tena mba ohatran’ny te-hanao ‘carriere’-na matoatoa tsara fanahy izany, manao asa soa, etsetra etsetra. Rehefa tsy nahovoka firy ihany teto amity fiainana ity. Mmm, ohatran’ny tantaran'i Joe Black iny izao mety tsy hahasosotra izany an. Nofinofy matoatoa ...

Satria hono tsy maintsy itadiavana lafy tsarany daholo izao rehetra izao ... Ity izany no mba anisan’ny lafy tsarany hitako rehefa misy olona akaiky ny tena mody mandry ireny: manosika ahy hiezaka hanao ny tsara hatrany arak’izay azo atao. Sao tokoa mantsy ireo matiko ka mahita sy miambina ahy any ananonanona any.  Dia mba atao izay tsy hahadiso fanantenana azy e, na dia maro aza ny fakam-panahy sy fahalemena saro-dresena amin’ny maha-olombelona ny tena.

Tsy rediredy intsony ity fa vokatry ny fo: mandria am-piadanana ry matiko malala. Raha ny alahelo anareo akory tsy ho lany. Saingy mbola nofo aman-dra ka tsy maintsy hoe hirediredy ihany. Indraindray. Manala azy. Aza manary ahy ianareo any ambony any.

                                       alt


Copyright © 2005 katsaka tsaramaso voanjobory - Atolotry ny Blaogy.com
Imhotep theme designed by Chris Lin
XHTML | CSS | RSS