mba tontolo tsara loatra ...
Nampidirin'i iantsaliana :27 Jiona 2011
Hevitra (0) ¦
Verindrohy (trackback) (0) ¦
Ankapobeny
indro tsinjoko eto hazo maitso … raozy mena koa
indreo mandrobona izy … ho ahy sy ho anao
dia hoy aho lasan’embona … endrey, mba tontolo tsara loatra
endrey zany lanitra manga … ‘reto rahom-potsy koa
andro mirana sy soa … alin-tsarobidy koa
dia hoy aho lasan’embona … endrey, mba tontolo tsara loatra
ny havana maro loko … tsara loatra … eny an-danitra eny
hita soritra ihany koa … eny amin’ny endrik’ I Koto sy Kala
'reo mpinamana mifamihi-tanana … mifanontany fahasalamana
mifamboraka ny ao am-po … miventso hoe “tiako ianao”
endrey zany zaza mitomany … variana aho mandinika azy
ny fahaizan’izy ireo anie … ka ho tapitr’ohatry ny ahy
dia indro lasan’embona aho … endrey, mba tontolo tsara loatra
eny, lasan’embona aho … mba tontolo tsara loatra
(dika teny malalaky ny hiran'ingahy Louis Armstrong,
What a Wonderful World)
Hevitra
Hametraka hevitra