Sunday 10 July 2022

fa ny fitiavana hono no lehibe indrindra0

Mandreraka mahafanina ity hazakazaka amin'ny fitadiavana fanomezana ho an'ikoto sy kala amizao vanim-potoanan'ny fety izao kah ... Isan-taona ve dia ohatr'izao ihany, tsy maintsy mba asina fieritreretana ihany kah.

Voalohany aloha tena mahavaky loha ny mieritreritra izay fanomezana omena ny tsirairay. Dia inona indray izao no omena an'i baina. Dray ary kay moa mbola misy an'ilay nenitoa anankiroa ireny koa izao tsy maintsy ividianan-javatra fa 'wain' be eo raha mitondra tanam-polo nefa ireny izao tsy maintsy hanome anay, letie. Ary ilay mpampianatr'ikala piso sy ilay soferan'ny fiara-pitaterany any am-pianarana ve izao tokony omena ihany koa? Ny ray aman-drenin'ny ankizy hafa toa manome dia manome ...

Manarak'izay ilay enti-manana tsy maintsy lanjalanjaina ihany koa. Ka firy ary izao ny totalim-panomezana hovidina ho an'izao olon-drehetra izao? Dia hitotaly ohatrinona ny vidin'izany rehetra izany? Ho voatery hiditra trosa ve sa mety ho tafavoaka velona amizao ihany hampiasa izay eo an-tanana? Sangodi-panina tena mahafanina aloha raha hifaninana amireo mpanome fanomezana lafo vidy. Fa fifaninanana tokoa ve moa izany izy ity e? Hifaninana ho aiza, hifaninana amin'ny trosa ve??? Ha, toa mahatsikaiky mahalasa saina izy izany!

Ary ity izaho, inona no mba iriko ho azo amizao fety izao? Mila taviny sa volony sa taviny sy volony? haha. Mipatrapatraka sy miraradraraka indray ny dokam-barotry ny magazay rehetra etsy sy eroa. Toa mila an'izany ranomanitra vaovao vao nivoaka izany hono ny tenako raha te-hambabo an'i lery. Dia ho ataoko inona ary izany ireo tavoahangina ranomanitra hafa tsy mbola mety lany ato an-trano ireto? Ary angaha moa lery tsy efa babo? Toa mila an'izany karazan-telefaonina vaovao tena raitra izany koa hono raha mba te-ho ohatrohatr'izay e. Sy ny maro hafa tsy ho voatanisa ...

Ny tena marina dia tsia, tsy mila izao fatin-javatra rehetra izay ho lany andro rahampitso izao ny tenako vao ho sambatra. Tsy mila manome fanomezana lafo vidy ihany koa vao afaka hampiseho ny fitiavako amireo olon-tiako sy mpiara-belona amiko. Ny tena marina dia ny fanomezana sy fahazoana fitiavana ihany no zava-dehibe indrindra. Nikatsaka ainga-panahy vaovao aho iatrehana ity vanim-potoanan'ny fety ity. Hany ka toratorana ny foko raha naheno ity hira ity:


ny hasambarana tsy hoe0

dia fitadiavana doria. ny hasambarako dia fantatro fa eo am-pela-tanako

ny hasambaran'ireo olon-tiako eny an'habakabaka eny

ny hasambarantsika dia iray ihany!

 

alt

Tsenan'Ambohimahasoa, 1998 ~ Pierrot Men


mba tontolo tsara loatra ...0

indro tsinjoko eto hazo maitso … raozy mena koa

indreo mandrobona izy … ho ahy sy ho anao

dia hoy aho lasan’embona … endrey, mba tontolo tsara loatra

 

endrey zany lanitra manga … ‘reto rahom-potsy koa

andro mirana sy soa … alin-tsarobidy koa

dia hoy aho lasan’embona … endrey, mba tontolo tsara loatra

 

ny havana maro loko … tsara loatra … eny an-danitra eny

hita soritra ihany koa … eny amin’ny  endrik’ I Koto sy Kala  

'reo mpinamana mifamihi-tanana … mifanontany fahasalamana

mifamboraka ny ao am-po … miventso hoe “tiako ianao”

 

endrey zany zaza mitomany … variana aho mandinika azy

ny fahaizan’izy ireo anie … ka ho tapitr’ohatry ny ahy

dia indro lasan’embona aho … endrey, mba tontolo tsara loatra

eny, lasan’embona aho … mba tontolo tsara loatra

 

(dika teny malalaky ny hiran'ingahy Louis Armstrong, 

What a Wonderful World)

 

 

 


mahita ahy ary ve izao ireo matiko?0

Eritreritra nandalo dia niraikitra. Rehefa injay aho niezaky ny nanary dia tamin’ny alahelo be loatra noho ny fahalasanan’i nenitoa tany Dago. Ny tena aty an-tany lavitra. Misaona irery.

Aleo aloha hiato kely ny alahelo sy izay rehetra manodidina azy. Efa be izay tora-po vita izay. Mila maka aina kely izao, handini-tena, etsetra etsetra. Tsy tsaroako intsony inona tsara moa ilay zavatra nataoko  tamizay. Fa nanomboka teo dia lasa foana ny eritreritro isaky ny manao zavatra hafa iray: mahita ahy ve izao i nenitoa? Hitany daholo ve izao izay ataoko? Dia ahoana tokoa moa izao raha toa ka hitany izao rehetra ataoko izao? Hitany ve izao zah mangala-pihinana io? Ary zah mipetraka eo ambony gabine io? Tena loza ihany raha hitany daholo izao rehetra izao an! Toy ny … fisokirana tain-delo an-tsokosoko ohatra. Na ny zavatra hafa ohatrohatr’izany sy tsy ohatrohatr’izany e. Haiko tsara ny tiako tenenina na dia iniako tsy tenenina aza. Aza hitako anie izany. Tena ohatran’ny ho degany be ihany raha hitany daholo ny velona rehetra fantany manao ny fanaony (sy ny tsy fanaony) kah.  

Ity nenitoako iray ity dia niavaka kely mihitsy tamin’ny finoany tanteraka ny fisian'ny matoatoa. Teny amin’ny hopitaly Girard et Robic hono no nahitany an’izany taona maro lasa izay. Izy aloha dia nitantara tamin’ny an-tsipiriany mihitsy saingy zah dia mbola manontany tena fatratra raha tena misy marina tokoa izany.  Mbola tsy nahita mantsy ny tenako ary tsy maniry hahita ihany koa! Nefa raha matoatoa tsara fanahy mety tsy maninona ihany an. Ohatran’ilay tamin’ny sarimihetsika ‘Ghost’ iny izao. P. Swayze- D. Moore. Raha zah ho aho no maty eo ka misy fika an. Tsy haiko aloha e. Tena mba ohatran’ny te-hanao ‘carriere’-na matoatoa tsara fanahy izany, manao asa soa, etsetra etsetra. Rehefa tsy nahovoka firy ihany teto amity fiainana ity. Mmm, ohatran’ny tantaran'i Joe Black iny izao mety tsy hahasosotra izany an. Nofinofy matoatoa ...

Satria hono tsy maintsy itadiavana lafy tsarany daholo izao rehetra izao ... Ity izany no mba anisan’ny lafy tsarany hitako rehefa misy olona akaiky ny tena mody mandry ireny: manosika ahy hiezaka hanao ny tsara hatrany arak’izay azo atao. Sao tokoa mantsy ireo matiko ka mahita sy miambina ahy any ananonanona any.  Dia mba atao izay tsy hahadiso fanantenana azy e, na dia maro aza ny fakam-panahy sy fahalemena saro-dresena amin’ny maha-olombelona ny tena.

Tsy rediredy intsony ity fa vokatry ny fo: mandria am-piadanana ry matiko malala. Raha ny alahelo anareo akory tsy ho lany. Saingy mbola nofo aman-dra ka tsy maintsy hoe hirediredy ihany. Indraindray. Manala azy. Aza manary ahy ianareo any ambony any.

                                       alt


ovy endasina sy vary sosoa, mmm0

Reraky ny mitsabo zaza marary aho f’aleo aloha mba haka aina kely kah. Handefa fisainana. Hanonofy kaly. Kaly inona ary izany? Tsy inona akory fa vary sy ovy ihany.

Raha zah kosa no marary eo an, dia efa masaka ato an-tsaiko ny kômandy. Anaovy vary sosoa be ranony aho. Angalao amilay vary mena fahefa-kilao sisa tavela ao. Dia anendaso ovy ataoko laoka! Tsy ilay ovy efa vita tetika vidina any amin’ny mpivarotra dia vita anatin’ny 15 minitra anaty lafaoro ireny an.  Matsantso ho aho ireny. Angalao ovy tena izy ilay bolongany be ireny dia tetiteteho kiboribory fisaka manify. Ny sasany ataovy tetika lavalava ihany tsy maninona amizay mba misy karazany anankiroa hanome endrika ny eo am-biliako e. Dia ataovy mendimendy tsara. Avy eo asina sira sy dipoavatra kely. Dia avy eo zah hiramarama hihinana azy amizay! Ho hitanareo fa ho poa toa izay dia hisava ny aretiko!

Ihomehezan’ny vazaha zah rehefa manao ovy endasina ilaofana vary izany. Tsy sakafo “tsara lanja” hono mantsy e. Tsy haiko tsara aloha ny mandika teny azy fa malaza amin-dry zareo ity atao hoe “balance balance” ity. Izay rehetra atao dia ikatsahana izany atao hoe “balance” izany. Ohatran’ny hoe tsy tonga lafatra mihitsy hono raha tsy tonga amizany sehatra avo izany. Dia hoy aho hoe tsotra ihany: omeo ahy ny variko miaraka amin’ny ovy endasina dia ho hitanareo fa tsy hisy tonga lafatra mihoatra ahy eto an-tany. Saotra tompoko Smile

alt


1 2 3  Manaraka»

Copyright © 2005 katsaka tsaramaso voanjobory - Atolotry ny Blaogy.com
Imhotep theme designed by Chris Lin
XHTML | CSS | RSS