Monday 11 July 2022

Tapa-kevitra hiblaogy indray0

Tapa-kevitra hiblaogy indray izany ny tenako e. Roa taona lasa angamba izay no ni-blaogy farany dia rempotr'ity atao hoe facebook. Aza arina ny akoho taman-trano hoy ilay namana iray izay. Roa taona niriariavana tao amin'ny facebook vao tonga saina fa hafa ihany izany miblaogy e. Nakatoko ny trano tao amin'ny facebook dia iny izaho nipitsika tsikelikely. Aleo aloha haka feeling hafa indray. Nangidihidy ny tanana te-hanoratra indray. Tena mila miverina manoratra indray.

Efa nihodikodina tao an-dohako indrindra io fikasana io no indro ary nilatsaka ny varatra: nody mandry hono i Elie Rajaonarison. Vara-datsaka tokoa moa izany. Ory ny foko, tsy nety nino ny saiko. Nalahelo loatra aho satria mbola nanantena ny hahita azy indray andro any. Raha tany an-tanindrazana mantsy ny tenako efa-bolana lasa izay dia nanam-pikasana ny andeha hijery azy tao amin'ny CGM. Tolakandro natokan'ny Faribolana Sandratra ho an'i Elie Rajaonarison tamizay. Efa nanana programa mihitsy aho andeha hijery azy miaraka amilay namako iray izay. Kanjo nitaraina narary sofina ilay zanako ny marainan'io no sady nanao somary nafanafana izay. Tsy sahin'ny tongotro ny nandao azy fa sao areti-mandoza na tsy hay tsy haiko. Ilay namako koa raha vao nahare hoe narary ilay kely dia tsy nety nandeha. Ny fiononako dia ny hoe ny manetsa be mbola ho avy e, mbola hahita an'i Elie foana aho indray andro any. Kinanjo ... Tena tonga amilay hoe ny aina tsy mifametra. Lahatra ihany koa angamba ao ambonin'izany rehetra izany. 

Nidika zava-dalina ho ahy ny fahalasanan-drazoky tampoka iny. Raha misy zavatra tena irin'ny fonao dia ataovy izany fa ny ampitso mbola any an-kibon'ny omby e. Tsy hahita an'i Elie velona intsony aho. Saingy ilay faniriko hanoratra indray tsy ho avelako hanjavona intsony. Nandala fatratra ny tenin-drazana razoky iny. Tonga nanamafy ny faniriko hanoratra amin'ny teny gasy ihany koa izany. Aoka ity blaogy ity no hanamafy ilay fifandraisako amireo mpiray tanindrazana amiko, amireo razana nitahy ary mbola hitahy antsika hatrany. Ny fanirin'ny foko dia tsotra ihany: aoka tsy andrarak'ilo.

Nohon'ny tsy fananako fotoana firy dia niniako nakatona ny fampidirana hevitra eto. Ialako tsiny be dia be izany, aoka tsy hahatohina ny mpamaky. Tsy ho arako velively mantsy ny hamaly izany eto. Any aoriana any angamba fa raha amizao fotoana izao aloha dia aoka hilamina e. Samy tsara ry zareo a. 


«Mialoha   1 2 3

Copyright © 2005 katsaka tsaramaso voanjobory - Atolotry ny Blaogy.com
Imhotep theme designed by Chris Lin
XHTML | CSS | RSS