Monday 11 July 2022

katsaka tsaramaso voanjobory

Angamba kosa tsara raha azavaina kely ny antony nahatonga ny anaran'ity blaogy ity ho sampona kely ohatran'io. Izany katsaka tsaramaso voanjobory izany aloha ohatran'ny efa ela ihany tsy nandalo ny vavako sy ny kiboko an. mmm. Aoka aloha hitelin-drora kely dia hisento raha vao maheno an'ilay hoe voanjobory fotsiny. Sakafo ankafiziko indrindra fony tany Dago. Voanjobory miaraka amin'ny henakisoa sy vorivori-kena izany an. Dray. Lafatra e, tsy manam-paharoa.

Dia aleo avadika ny tafa sao ataon'ny olona hoe sain-kanina eo. Ny saina aloha tsy maintsy hoe mirona amizay ihany satria rehefa noana hono ny vatana mivezivezy ny fanahy. Hivezivezy aiza ary? Ary inona no amahanana azy? Tsy izany ho aho fa mba te-hiova amity fahamatorana be loatra ity ny tenako e. Matotra loatra amizay rehetra atao kah. Mba te-hikivalavala sy haka mora an'ity fiainana ity amizay fa sao ho lasa adala ambony eto ihany e. Raha ihomehezana sy raisina mora hono mantsy ny hamafin'ity fiainana ity toa mihamaivana ihany. Mila ianarana ve sa izarana tsotra ihany ny fanaovana izany? Toa mety ihany hono raha izarana kah. Dia hoy aho hoe ndao ary fa izarako io manomboka eto e.

Dia iny ary fa niala tany ny ainga-panahin'ny katsaka tsaramaso voanjobory. Raha hohanina harivariva hono ireo mampatory.  Tena marina ve izany? Tsy haiko aloha satria mbola tsy nanandrana nihinana azy telo ireo miaraka aho. Rehefa hariva ve moa ny andro tsy hoe hirona amin'ny torimaso foana ihany na katsaka na tsaramaso na voanjobory na zavatra hafa hohanina eo? Asa angaha izay mety ho ainga-panahin'ilay namorona io fomba fiteny io. Asa angaha naninona no tsy nataony hoe karapapaka, ron'angivy, besisika ohatra. Na koa hoe karoty, voatabia, mangahazo ohatra ihany koa. Mety tsy manaitra sofina loatra angamba o? Ie, toa ohatran'ny mampihomehy be marina! Raha samy hamorona ny azy toa ho feno izao tontolo izao an. Dray aoka fotsiny.

Ilay hoe katsaka tsaramaso voanjobory izany nahafinaritra ny saiko satria toa mananihany e. Nanjary lasa fahazarako ny nieritreritra karazan-tsakafo telo nifangaro, ho fanalana azy rehefa mila maka rivotra kely iny ny saiko. Ny aza hitako fotsiny dia sao indray andro any hono aho ho variana loatra hitady sakafo telo miady rima hasolo ireo etsy ambony, ka tsy haharaka intsony ny fetran'ny hafainganam-pandeha rehefa hitondra fiara eny an-dalam-be. Dia tsy ho kopy mihitsy ny polisy rehefa hisakana ahy ka hanontany hoe inona marina no tao an-dohako no tsy nanaja ny fetra ka hamaly aho hoe "Ny tao an-dohako marina ve no tianareo ho fantatra? Tsotra ihany: "moknazy, mosakiky, mofo akondro". Aza hitako anie izany ... Angamba dia hihoa-pampana tsisy ohatr'izany ny sazy omeny ahy fa sady efa tsy manaja lalana no mbola mananihany polisy koa eo ambonin'izany! 

Ho fehiny: katsaka tsaramaso voanjobory, toa teniteny foana tsisy dikany mazava. Enga anie ka tsy ho teniteny foana be fahatany hatrany no ho avoakan'ity blaogy ity fa mba hisy ventiny azo raisina ihany eny an-tsefatsefany eny e. Saingy raha tsoriko ny marina dia resaka kivalavala aloha no heveriko atosaka eto e. Mba ialana amin'ny mahazatra sy analana azy e. Aleo ary hilamina dia hisesy ... 

 


Copyright © 2005 katsaka tsaramaso voanjobory - Atolotry ny Blaogy.com
Imhotep theme designed by Chris Lin
XHTML | CSS | RSS