Sunday 10 July 2022

bodofotsy elektrika

hehe, marina raha tsy hafotaka indray ato ho ato ny fampiasana bodofotsy elektrika ato an-trano. Hidina ambanin'ny -20 hono ny maripana amity herinandro ity. Ny ankoatry ny alahady aloha aleo odina fanina fa ity herinandro ity aloha izao no atrehina. Raha nivoaka tany ivelany aloha aho io maraina io toa azoazo ihany kah. Raha mbola eo ny masoandro manazava na dia tsy manafana loatra aza dia mirana ny foko e. Rehefa manjombona ratsy iny izy no tsy tena tsy laitra. Sy ilay rehefa mandrivo-doza iny! 

Ato an-trano aloha misy an'itony atao hoe famanana itony. Ny aza mba tsy manan-kialofana ihany ... Ny mahakivy ahy indraindray dia ilay vadiko tsy mety mampiakatra ny maripana ato an-trano amin'ny alina fa tsy mahita tory hono izy raha mafana loatra. Dia iny ary aho mamelona ilay bodofotsy elektrika eo amin'ny folo na dimy ambin'ny folo minitra alohan'ny idirako ao am-pandriana! Mafanafana tsara aloha raha vao mitsofoka ambany lamba iny an. Dray. Efa zatra aho izao ka jejojejo mampiasa azy io. Tamin'ny vao voalohany anefa tadidiko ihany niavonavona hoe inona koa ity zavatra hafahafa ity, bodofotsy misy fil e, bodofotsy mi-scene! Amizao fotoana izao tsy miditra am-pandriana aho raha tsy misy an'io. 

Mahatsiaro an'ilay cousine-ko foana aho matetika rehefa raikitra ny fampiasana azy io. Fony izahay roa nizara fandriana mantsy fahiny tany Dago dia zary nahazatra anay ny nipasoka ny lamba sy ondanay alohan'ny nidirana tao am-pandriana rehefa ririnina ny andro. Nanaikitra mihitsy ny ririnina tao Antananarivo sy Fianarantsoa kah. Efa vavy lehibe aho mbola nipasoka ny lamba sy ondana ihany raha niasa nipetraka tao Fianarantsoa roa taona. Mety ho faly ve ny tapaka sy namana any amin'ny tanana raha andefasana bodofotsy elektrika? Ny indro keliny dia tsy maintsy mampiasa transfo raha any Dago satria mandeha amin'ny herin'aratra 120V daholo raha vao avy aty. Ary tena mety ho bizna handeha io any amin'ny tanana an! Fanamboarana bodofotsy elektrika mandeha amin'ny herin'aratra 220V. Asa re ... Tsy spesialista amin'ny fanamboarana bodofotsy ny tenako ka aleo tsy hiteniteny foana. Saingy lasa saina ihany aho fa tena mety hanampy sy hanamaivana ny ririnina any an-toerana raha misy ny hevitra ohatrohatr'izany an. Indrindra moa raha tsy mila herin'aratra ka mora vidy na maimaim-poana ho azon'ireo tantsaha eny ambanivohitra ho ampiasaina ... Revin-gadra ve izany sa mba azo heverina ihany? Indrisy raha mba injeniera mantsy ny tenako an, mety mba nahita fika ihany nanatanterahina izany ihany Undecided ...


Copyright © 2005 katsaka tsaramaso voanjobory - Atolotry ny Blaogy.com
Imhotep theme designed by Chris Lin
XHTML | CSS | RSS