Sunday 17 July 2022

Tapa-kevitra hiblaogy indray0

Tapa-kevitra hiblaogy indray izany ny tenako e. Roa taona lasa angamba izay no ni-blaogy farany dia rempotr'ity atao hoe facebook. Aza arina ny akoho taman-trano hoy ilay namana iray izay. Roa taona niriariavana tao amin'ny facebook vao tonga saina fa hafa ihany izany miblaogy e. Nakatoko ny trano tao amin'ny facebook dia iny izaho nipitsika tsikelikely. Aleo aloha haka feeling hafa indray. Nangidihidy ny tanana te-hanoratra indray. Tena mila miverina manoratra indray.

Efa nihodikodina tao an-dohako indrindra io fikasana io no indro ary nilatsaka ny varatra: nody mandry hono i Elie Rajaonarison. Vara-datsaka tokoa moa izany. Ory ny foko, tsy nety nino ny saiko. Nalahelo loatra aho satria mbola nanantena ny hahita azy indray andro any. Raha tany an-tanindrazana mantsy ny tenako efa-bolana lasa izay dia nanam-pikasana ny andeha hijery azy tao amin'ny CGM. Tolakandro natokan'ny Faribolana Sandratra ho an'i Elie Rajaonarison tamizay. Efa nanana programa mihitsy aho andeha hijery azy miaraka amilay namako iray izay. Kanjo nitaraina narary sofina ilay zanako ny marainan'io no sady nanao somary nafanafana izay. Tsy sahin'ny tongotro ny nandao azy fa sao areti-mandoza na tsy hay tsy haiko. Ilay namako koa raha vao nahare hoe narary ilay kely dia tsy nety nandeha. Ny fiononako dia ny hoe ny manetsa be mbola ho avy e, mbola hahita an'i Elie foana aho indray andro any. Kinanjo ... Tena tonga amilay hoe ny aina tsy mifametra. Lahatra ihany koa angamba ao ambonin'izany rehetra izany. 

Nidika zava-dalina ho ahy ny fahalasanan-drazoky tampoka iny. Raha misy zavatra tena irin'ny fonao dia ataovy izany fa ny ampitso mbola any an-kibon'ny omby e. Tsy hahita an'i Elie velona intsony aho. Saingy ilay faniriko hanoratra indray tsy ho avelako hanjavona intsony. Nandala fatratra ny tenin-drazana razoky iny. Tonga nanamafy ny faniriko hanoratra amin'ny teny gasy ihany koa izany. Aoka ity blaogy ity no hanamafy ilay fifandraisako amireo mpiray tanindrazana amiko, amireo razana nitahy ary mbola hitahy antsika hatrany. Ny fanirin'ny foko dia tsotra ihany: aoka tsy andrarak'ilo.

Nohon'ny tsy fananako fotoana firy dia niniako nakatona ny fampidirana hevitra eto. Ialako tsiny be dia be izany, aoka tsy hahatohina ny mpamaky. Tsy ho arako velively mantsy ny hamaly izany eto. Any aoriana any angamba fa raha amizao fotoana izao aloha dia aoka hilamina e. Samy tsara ry zareo a.


ity fetin'ny mpifankatia ity rey olona0

Normal 0 false false false EN-US X-NONE X-NONE MicrosoftInternetExplorer4

Dia feno ravaka menamena sy mavokely indray eraky ny tanana. Toy ny mahazatra raha vao rava ny tsenan’ny krismasy herinandro aorian’ny faran’ny volana desambra iny dia raikitra sahady ny famarotana an’izao fatin-jazatra rehetra ho an’ny “mpifankatia” izao …

Ny tena nahavariana ahy tamin’ny voalohany dia kay tsy fetin’ny olon-droa mpifankatia ihany ity St Valentin ity aty fa tena fetin’ny vahoaka iray vohitra! Mifanome bizoroka sy fatin-javatra daholo hono na ny mpinamana, na ny mpianatra sy mpampianatra, na  izay olona hafa rehetra mety manana karazam-pifandraisana miharo “fifankatiavana” e. Dia lasa niafiafy kely tery amin’ny sisi-tosy izany ilay feeling-ko mba te- hiangoty sy hanokana fotoana iray toa zato miaraka amin’ny lery. Raha fony tany Dago dia nandrasana fatratra ery io faha-14 ny volana febroary io. Mba iangotingotina e, sy anaovana izay tiana. Izao aty tsy dia hitako intsony izay tsirony. Rakotry ny fatin-javatra ny tontolo. Dia rakotry ny fatin-javatra miaraka amizay koa ny tena votoatin’izao rehetra izao. Toy ny niafaran’ny fankalazana ny fety rehetra mifanesy eto isan-taona.

Ny ankizy kely aloha izao no tena ho faly. Vao manomboka any amin’ny garabola ireny dia tsy maintsy manome karatra St Valentin ho an’ny mpiara-mianatra aminy tsirairay. Ho mariky ny fifankatiavana hono izany. Dray ho feno fatin-taratasy indray ato an-trano amity volana vao manangasanga ity. Dia ho feno fatim-batomamy sy sokola ihany koa. Na dia zara raha vao nokasihana aza ny vatomamy iray harona nangonina tamin’ny Halloween farany teo. Dia tsy mba ho fantatr’ireto ankizy ireto ny niandohan’izao rehetra izao an. Rakotry ny fatin-javatra ny tontolony …

Ho ahy kosa indray, raha mahazo raozy mena iray aho an … dia ho tonga lafatra!  

                                                         


nofinofy ririnina ...0

na revin-gadra. rehefa ohatrohatr'izay ny hafanana hatsiaka aty Nakoda: -36. hehe.

 

fa raha sanatria ka nofy

izao rehetra izao

avelao izy hitohy 

mbola iarahako aminao 

mitalaho an-tanan-droa raha azo atao

avelao aloha hanonofy farany aho

 

hozy kala Poopy izay ... 

 

 


bodofotsy elektrika0

hehe, marina raha tsy hafotaka indray ato ho ato ny fampiasana bodofotsy elektrika ato an-trano. Hidina ambanin'ny -20 hono ny maripana amity herinandro ity. Ny ankoatry ny alahady aloha aleo odina fanina fa ity herinandro ity aloha izao no atrehina. Raha nivoaka tany ivelany aloha aho io maraina io toa azoazo ihany kah. Raha mbola eo ny masoandro manazava na dia tsy manafana loatra aza dia mirana ny foko e. Rehefa manjombona ratsy iny izy no tsy tena tsy laitra. Sy ilay rehefa mandrivo-doza iny! 

Ato an-trano aloha misy an'itony atao hoe famanana itony. Ny aza mba tsy manan-kialofana ihany ... Ny mahakivy ahy indraindray dia ilay vadiko tsy mety mampiakatra ny maripana ato an-trano amin'ny alina fa tsy mahita tory hono izy raha mafana loatra. Dia iny ary aho mamelona ilay bodofotsy elektrika eo amin'ny folo na dimy ambin'ny folo minitra alohan'ny idirako ao am-pandriana! Mafanafana tsara aloha raha vao mitsofoka ambany lamba iny an. Dray. Efa zatra aho izao ka jejojejo mampiasa azy io. Tamin'ny vao voalohany anefa tadidiko ihany niavonavona hoe inona koa ity zavatra hafahafa ity, bodofotsy misy fil e, bodofotsy mi-scene! Amizao fotoana izao tsy miditra am-pandriana aho raha tsy misy an'io. 

Mahatsiaro an'ilay cousine-ko foana aho matetika rehefa raikitra ny fampiasana azy io. Fony izahay roa nizara fandriana mantsy fahiny tany Dago dia zary nahazatra anay ny nipasoka ny lamba sy ondanay alohan'ny nidirana tao am-pandriana rehefa ririnina ny andro. Nanaikitra mihitsy ny ririnina tao Antananarivo sy Fianarantsoa kah. Efa vavy lehibe aho mbola nipasoka ny lamba sy ondana ihany raha niasa nipetraka tao Fianarantsoa roa taona. Mety ho faly ve ny tapaka sy namana any amin'ny tanana raha andefasana bodofotsy elektrika? Ny indro keliny dia tsy maintsy mampiasa transfo raha any Dago satria mandeha amin'ny herin'aratra 120V daholo raha vao avy aty. Ary tena mety ho bizna handeha io any amin'ny tanana an! Fanamboarana bodofotsy elektrika mandeha amin'ny herin'aratra 220V. Asa re ... Tsy spesialista amin'ny fanamboarana bodofotsy ny tenako ka aleo tsy hiteniteny foana. Saingy lasa saina ihany aho fa tena mety hanampy sy hanamaivana ny ririnina any an-toerana raha misy ny hevitra ohatrohatr'izany an. Indrindra moa raha tsy mila herin'aratra ka mora vidy na maimaim-poana ho azon'ireo tantsaha eny ambanivohitra ho ampiasaina ... Revin-gadra ve izany sa mba azo heverina ihany? Indrisy raha mba injeniera mantsy ny tenako an, mety mba nahita fika ihany nanatanterahina izany ihany Undecided ...


katsaka tsaramaso voanjobory0

Angamba kosa tsara raha azavaina kely ny antony nahatonga ny anaran'ity blaogy ity ho sampona kely ohatran'io. Izany katsaka tsaramaso voanjobory izany aloha ohatran'ny efa ela ihany tsy nandalo ny vavako sy ny kiboko an. mmm. Aoka aloha hitelin-drora kely dia hisento raha vao maheno an'ilay hoe voanjobory fotsiny. Sakafo ankafiziko indrindra fony tany Dago. Voanjobory miaraka amin'ny henakisoa sy vorivori-kena izany an. Dray. Lafatra e, tsy manam-paharoa.

Dia aleo avadika ny tafa sao ataon'ny olona hoe sain-kanina eo. Ny saina aloha tsy maintsy hoe mirona amizay ihany satria rehefa noana hono ny vatana mivezivezy ny fanahy. Hivezivezy aiza ary? Ary inona no amahanana azy? Tsy izany ho aho fa mba te-hiova amity fahamatorana be loatra ity ny tenako e. Matotra loatra amizay rehetra atao kah. Mba te-hikivalavala sy haka mora an'ity fiainana ity amizay fa sao ho lasa adala ambony eto ihany e. Raha ihomehezana sy raisina mora hono mantsy ny hamafin'ity fiainana ity toa mihamaivana ihany. Mila ianarana ve sa izarana tsotra ihany ny fanaovana izany? Toa mety ihany hono raha izarana kah. Dia hoy aho hoe ndao ary fa izarako io manomboka eto e.

Dia iny ary fa niala tany ny ainga-panahin'ny katsaka tsaramaso voanjobory. Raha hohanina harivariva hono ireo mampatory.  Tena marina ve izany? Tsy haiko aloha satria mbola tsy nanandrana nihinana azy telo ireo miaraka aho. Rehefa hariva ve moa ny andro tsy hoe hirona amin'ny torimaso foana ihany na katsaka na tsaramaso na voanjobory na zavatra hafa hohanina eo? Asa angaha izay mety ho ainga-panahin'ilay namorona io fomba fiteny io. Asa angaha naninona no tsy nataony hoe karapapaka, ron'angivy, besisika ohatra. Na koa hoe karoty, voatabia, mangahazo ohatra ihany koa. Mety tsy manaitra sofina loatra angamba o? Ie, toa ohatran'ny mampihomehy be marina! Raha samy hamorona ny azy toa ho feno izao tontolo izao an. Dray aoka fotsiny.

Ilay hoe katsaka tsaramaso voanjobory izany nahafinaritra ny saiko satria toa mananihany e. Nanjary lasa fahazarako ny nieritreritra karazan-tsakafo telo nifangaro, ho fanalana azy rehefa mila maka rivotra kely iny ny saiko. Ny aza hitako fotsiny dia sao indray andro any hono aho ho variana loatra hitady sakafo telo miady rima hasolo ireo etsy ambony, ka tsy haharaka intsony ny fetran'ny hafainganam-pandeha rehefa hitondra fiara eny an-dalam-be. Dia tsy ho kopy mihitsy ny polisy rehefa hisakana ahy ka hanontany hoe inona marina no tao an-dohako no tsy nanaja ny fetra ka hamaly aho hoe "Ny tao an-dohako marina ve no tianareo ho fantatra? Tsotra ihany: "moknazy, mosakiky, mofo akondro". Aza hitako anie izany ... Angamba dia hihoa-pampana tsisy ohatr'izany ny sazy omeny ahy fa sady efa tsy manaja lalana no mbola mananihany polisy koa eo ambonin'izany! 

Ho fehiny: katsaka tsaramaso voanjobory, toa teniteny foana tsisy dikany mazava. Enga anie ka tsy ho teniteny foana be fahatany hatrany no ho avoakan'ity blaogy ity fa mba hisy ventiny azo raisina ihany eny an-tsefatsefany eny e. Saingy raha tsoriko ny marina dia resaka kivalavala aloha no heveriko atosaka eto e. Mba ialana amin'ny mahazatra sy analana azy e. Aleo ary hilamina dia hisesy ... 

 


Copyright © 2005 katsaka tsaramaso voanjobory - Atolotry ny Blaogy.com
Imhotep theme designed by Chris Lin
XHTML | CSS | RSS